Sokajy
Sampana Mena (Mpiandalana)

Miainga isika izao

Hira fiantsoana ny Mpiandalana Sampana Mena.
Tonony + feony + solfa

Solfa « Miainga isika izao », Hirao 75 / Groupe HIRA TILY

Miainga mianga isika izao
Handao ny tanàna nahabe
Misy feo miantso ka ezaho
Ny famindran-tsika rodobe

Réf.: Moa tsy mba henonao va re?
Injay feo manako an-dalana ao
Mamporisika anao handeha
Manainga ny finiavanao
Ny antson’ny tanindrazanao
Mierim-pitiavana aminao

Miroso miroso isika izao
Mihoatra ny bonga marobe
Tsikim-pifaliana no hirao
Raha miakatra mideza e!

Enjano sikino mafy izao
Ny saina, fanahy, tena koa
Fa fanilom-pirenena ianao
Ka sahia ho lehilahy tokoa

Hira fiantsoana sy fifamoriana Mpiandalana
Tonony: RAVALOSON Parfait
Feony: ANDRIAMASY Samuel