Sokajy
Fanabeazana

Paikady laharam-pamehan’ny skotisma

Firotsahan’ny tanora

Fampivelarana ny hay rehetra handraisana anjara mavitrika eo amin’ny fikambanana sy ny fiarahamonina. – Ny skotisma dia manome sehatra ny tanora hampivelaran’izy ireo ny fahaiza-manaony sy ny fahalalany hahatonga azy ireo handray anjara mavitrika eo amin’ny fikambanana sy ny fiarahamonina. Fandraisana anjara, fankasitrahana ary fifampizarana eo amin’ny olon-dehibe sy ny tanora no fanalahidin’ny fanabeazana tokony atolotra ny tanora mpikambana ao amin’ny fikambanana skoto.

Fomba fanabeazana

Ny fandaharam-panabeazana hotanterahina dia hanamafy ny traikefa hahaizana miatrika ny ho avy. – Tontolo tsy manara-drafitra no hiorenan’ny fandaharam-panabeazana homena ny tanora skoto, ahafahan’izy ireo manabe voa ny fahaiza-manaony hiatrehan’izy ireo ny fanambin’ny ampitso. Rehefa manintona, mamolavola ary mahatamana ny olondehibe, manana talenta, mirotsaka an-tsitrapo ny skotisma dia azo antoka ny fandaharam-panabeazana atolotra.

Fiombonana anaty fahasamihafana

Fanomezan-danja ny fahasamihafana na isam-paritra na isan’olona. – Taratry ny fiarahamonina misy azy ny skotisma ary miezaka mafy handray ny karazan’olona rehetra tsy misy fanavahana. Tsy eo amin’ny mpikambana ihany no hisehoan’io fahasamihafana io fa eo amin’ny fomba sy fandaharana ampiasaina amin’ny hetsika ao amin’ny fikambanana ihany koa.

Fiantraikany amin’ny fiaraha-monina

Hitondra fanovàna tsara, vokatra tsara amin’ny fiarahamonina misy azy ny fikambanana. Mandray anjara amin’ny asa ho an’ny fiarahamonina ny skoto tsirairay ka mizara ny traikefany mba hitarihany ny manodidina azy hanao toy izany koa. Ireo hetsika sy tetikasa skoto no fitaovana handraisan’izy ireo anjara eo amin’ny fiarahamonina misy azy ka hahatonga azy ireo ho mpitarika mitondra fanovàna tsara.

Serasera sy fifandraisana ivelany

Fampahafantarana ny soatoavina skoto amin’ny sehatra hafa. – Taratra amin’ny ataontsika sy ny antony hanaovantsika izany ny endriky ny skotisma, ka hisongadinan’ny soatoavina ifampizarantsika. Ny fampiasana fomba mahomby indrindra amin’ny serasera sy ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka mahomby ihany koa, no ahafahana mampahafantatra ny maha-hetsiky ny tanora lehibe indrindra maneran-tany ny skotisma.

Fitantanana

Mangaharaha, mahomby ny fitantanana ny fikambanana. – Mangarahara, mazava ary mahomby sy mifandray mivantana amin’ny paikady mikendry ny fanatrarana ny iraka sy ny vina ny fitantanana ny fikambanana. Faritana mazava tsara ny asa sy ny andraikitry ny isaky ny an-tanan-toha-pitantanana ao amin’ny fikambanana, mba ho azo sy tena ilaina. Rehefa izany no tanteraka dia azo antoka ny firindran’ny seha-pitantanana rehetra eo amin’ny fikambanana skotisma maneran-tany ka hahazo vokatra mahomby isika.

Ny fivoriamben’ny skoto eran-tany tany Ljubljana, Slovenia ny taona 2014 no namaritra ny paikady laharam-pamehana.