Sokajy
Fanabeazana Totemisation

Ny fanomezana anarana (totémisation) araka ny Soratra Masina

Ny totémisation dia fomba fanomezana anarana ho an’olona iray ao amin’ny fiaraha-monina iray. Raha ao amin’ny Soratra Masina dia i Eva no olombelona nahazo anarana voalohany ka i Adama no nanome
anarana azy. « Aina » no hevitr’izany. Ny anarana dia miforona manomboka eo amin’ny fiandohan’ny aina ary ny fahaterahana dia milaza aina vaovao sy anarana vavao.

Ahoana no endriky ny fanomezana anarana (totémisation) tao amin’ny Soratra Masina ?

Mifamatotra amin’ny finoana an’Andriamanitra ny anarana, misy ny anaran’Andriamanitra.

Ohatra : Anielle dia milaza hevitra roa : elle izay midika ho Andriamanitra ary Ani izay midika hoe Avana ; Imanoela dia midika hoe amintsika Andriamanitra.

Raha mandray anarana hafa dia azo lazaina fa mifamatotra amin’ny asan’Andriamanitra ny anarana : Zakaria dia midika hoe « notsarovan’Andriamanitra » satria niteraka an’i Jaona mpanao batisa ny vadiny. Elizabeta kosa dia midika hoe fanekena niniana notanterahina.

Mifamatotra amin’ny voka-javatra ihany koa ny anarana :
Raha misy olona teraka an-dalana ohatra dia lasa hoe Ndalana ny anarany. Raha mandray an’i Isaka ohatra dia midika hoe Fihomehezana noho ny fihomehezan’i Abrahama rainy.

Amin’ny zavatra efa misy koa dia azo hitarafana sy hangalana ny anarana :
ohatra hoe i Tomeo no anaran-drainy dia i Bartomeo ny anaran-janany, izany
hoe avy amin’ny anaran’ny havana ny anarana.

Avy amin’ny hita ihany koa dia azo hangalana ny anarana.

Ohatra hoe ny zavatra hita eny amin’ny habakabaka toy ny tselatra midika hoe baraka, ny orana dia midika hoe Gesema, ny alika dia midika hoe Kaleba, ny rameva tanora dia midika hoe Bikri. Azo alaina amin’ny zava-maniry ihany koa ny anarana ka ireto misy ohatra vitsy : ny hazo palme dia antsoina hoe tamarana, ny vonin-draozy dia antsoina hoe roda, ny raketa dia antsoina hoe Samira.

Misy fanekena ifanaovana ny fanovana anarana

I Abrama sy Saray vadiny raha nifanaiky tamin’Andriamanitra dia niova ho Abrahama sy Saraha.

Noho ny fifanarahana tamin’Andriamanitra dia niova ho Israely i Jakoba.

Nandritra ny fahababoana tany babylona i Daniela, Hanania ary Mizaely dia niova ho Betasazara, Sadraka ary Abednego rehefa avy narahi-maso nandritra ny telo taona, taorian’izay dia niova andraikitra izy ireo ka lasa niasa tao anatin’ny lapa.

Misy fitsapana ka izay mahavita ny fitsapana no mahazo ny anarana vaovao.

Ny mpianatry ny Tompo « Simona barjaona » rehefa nahavaly ny fanadinana am-bava dia nahazo tso-drano ka niova ho « Simona Petera » ary nahazo fahefana ho vato hiorenan’ny fiangonana.

I Saoly kosa rehefa niova fo dia tonga « Paoly ».

Ny fiovana anarana noho izany dia misy dingana, misy fifanekena, misy fitsapana ary miteraka andraikitra. Ny olona nahazo fiovana anarana dia tiana ho olom-baovao ka aseho eo amin’ny fiainana izany
rehefa avy nomena solon’anarana izy.