Sokajy
Fanabeazana

Ny tsara ho fantatra momba ny code morse: teknolojian’ny taonjato faha-XIX

Raha vao miresaka teknika fampitan-kafatra dia « morse » no tonga  voalohany ao an-tsaina. Teknika nanana ny maha-izy azy mihitsy ny morse nandritra ny taonjato faha-XIX sy ny fiandohan’ny taonjato faha-XX rehefa niroborobo ny fifandraisana tamin’ny alalan’ny telegraphe. Ny skoto no anisan’ny tena nampiasa io teknolojia io ary nalaza tamin’ny fifehezana azy, ankoatra ireo nampiasa azy tamin’ny sehatry ny asa. Na efa tsy fampiasa firy intsony aza ny morse amin’izao vanim-potoana izao,  noho ny fisian’ny teknolojia maro mahasolo azy dia mbola misy ny sehatra sy vondron’olona mbola  mianatra sy mampiasa azy. 

Inona ny code morse ?

I Samuel Morse no voalaza fa namorona ny code morse intamin’ny taona  1832 mba ho ampiasaina hampitana hafatra amin’ny alalan’ny telegraphe. Nohatsarain’i Friedrich Clemens Gerke  tamin’ny taona 1838 ka izay no nahazoana ny « Code morse International » araka ny fampiasantsika amin’izao fotoana izao. Nanomboka tena niroborobo tanteraka izy teo ho eo amin’ny taona 1866 teo (nahatafapetraka fifandraisana an-telegraphe teo amin’ny amerika sy europe) … 10 taona teo ho eo i BiPi tamin’izany.

Fitambarana signal fohy (teboka) sy lava kokoa (tiret) mampiavaka ny  litera tsirairay ny morse. Io fahatsorany io no tena nampalaza azy  vetivety satria ankoatra ny fampiasana azy amin’ny telegraphe dia azo  hampitàna morse avokoa rehefa fomba ahafahana mandefa signal fohy sy  lava : hazavana, feo, soratra, loko, fihetsika, …

Mbola misy mampiasa morse ve amin’izao ?

Efa tsy fampiasa andavanandro toy ny tamin’ny fotoanan’ny telegraphe  intsony ny morse satria efa nahasolo azy tanteraka ny finday sy ny  internet. Mbola misy kosa nefa ny mianatra azy any amin’ny sehatra  sarotra hifandraisana toy ny miaramila, ny taranjam-panatanjahan-tena  sasany (ohatra : ny mpananika tendrombohitra na ny mpanao ankilentika).  Ary misy ny mampiasa azy ho fialam-boly sy fampivelarana  hakingan-tsaina, toy ny skoto sy ny mpankafy radioamateur.

Ireto koa nefa misy ohatra fampiasana ny morse tamin’ny fomba miavaka :

Morse ny sonnerie tamin’ny Nokia

Ranga avy hatrany ny sofin’ny skoto vao maneno ny sonnerie an’ny Nokia. Hay kay SMS fa tsy SOS.

Niantso vonjy tamin’ny maso

Ny taona 1965, nandritra ny ady tany Vietnam, dia babo an’ady i Jeremiah Denton,  miaramila amerikanina. Noterena hanao interview tamin’ny fahitalavitra  izy. Nandritra izany dia sady mamaly ireo fanontaniana napetraka taminy  izy no manakipikipy maso mandefa morse hoe « T-O-R-T-U-R-E »  (Ampijaliana izahay). Jereo anie e :

Teknika fianarana code morse

Misy maro ny fomba fianarana Morse fa anisan’ny iray amin’ireo fotsiny ny tabilao TMOCH-EISH zaraina eto.

Learning Morse Code

Ary amin’izao fotoana izao ?

Anisan’ny lalao manampy amin’ny fampivelarana ny hakingan-tsaina ny  lalao fampitan-kafatra. Fa ny tena tsy tokony ho adinoina dia ity :  nifehy morse ny skoto tamin’ny andron’i BiPi satria ny morse sy ny telegraphe no teknolojiam-pifandraisana avo lenta indrindra tamin’izany fotoana izany.

Ary amin’izao fotoana izao ? Ankoatra ny morse, ise na ny skoto  tarihin’ise ve mahafehy tsara ny fampiasana email ? Mahay manavaka tsara ny  vaovao mari-pototra sy ny tsaho amin’ny Google sy Facebook ? Mahay base-na programmation ?