Sokajy
Aim-panahy

Mifamatotra tanteraka ny maha-Tily sy ny fiainam-Piangonana

Ny asa ivelany no fanehoana ny fahaveloman’ny Fiangonana ary anisan’ny tomponandraikitra amin’izany ny Tily. Ho hitan’ise ato :

  • Inona no atao hoe Fiangonana?
    • Ankohonan’Andriamanitra.
    • An’Andriamanitra irery.
    • Vavolombelon’I Jesoa Kristy
    • Ny iraka na antom-pisiany
  • Tomponandraikitra eo anivon’ny Fiangonana ny Tily
    • Kristianina ny Tily
    • Mpanompon’Andriamanitra ny Tily
    • Tsy mihataka amin’ny Fiangonana ny Tily
    • Tsy hihidy anaty rindrina efatra ny Tily
  • Ireo synodam-piangonana irotsahan’ny Tily
    • Ny mampiavaka ny sinodam-piangonana tsirairay avy.
    • Ny zavatra andrasan’ny Fiangonana amin’ny Tily eto Madagasikara sy ny andrasan’ny Tily amin’ny Fiangonana.

Inona no atao hoe Fiangonana?

Avy amin’ny teny grika hoe eikes, izay midika hoe “trano”. Tamin’izany nefa tsy mbola nanana trano fiangonana ny kristiana. Tsy ny trano hita maso loatra no ao an-tsain’ny mpanoratra. 

Ny eikes koa dia azo adika hoe “ankohonana” na “fianakaviana” na “fikambanana na “fiombonana” koa azo lazaina fa ny trano dia tranon’Andriamanitra, mba hiombom-po amam-panahy amin’ny firaisana amin’i Kristy.

Ankohonan’Andriamanitra ny Fiangonana

Ny Fiangonana dia fianakavian’Andriamanitra, izany hoe ireo olona manaiky ny antson’Andriamanitra. Miantso olona handray ny famonjeny Andriamanitra : misy ny mihaino sy manoa fa misy ny tsy mihaino na/sady mamaly “tsia”.

Ireo nanaiky ny antson’Andriamanitra ireo no nantsoina hoe ekklesia, izany hoe “fikambanan’ny olona nantsoina”.

Izany hoe, ny Fiangonana dia Fikambanan’ny mpihaino ny Tenin’Andriamanitra ka mamaly izany, ary velona amin’ny firaisana amin’ny Fanahy Masina sady manome izany firaisana izany

An’Andriamanitra irery ny Fiangonana. 

Miavaka amin’izao tontolo izao satria avy amin’izao tontolo izao izay manohitra ny fahefan’Andriamanitra no niantsoan’Andriamanitra azy. Raha nantsoin’Andriamanitra izy dia nohamasininy koa (Jaona 17, 16-17)

Ireto no maneho ny fahamasinan’Andriamanitra:

  • Ny antson’Andriamanitra
  • Ny asany amin’Andriamanitra
  • Manahaka an’Andriamanitra: manana ny toetrany, manao ny sitrapony (manohitra ny devoly)

Vavolombelon’I Jesoa Kristy ny Fiangonana

Vavolombelon’I Kristy sy ny finoana Azy eto an-tany ny Fiangonana, ka mitory ny teniny sy ny asany, ary mandresy lahatra izao tontolo izao mba hanaiky sy hanaraka Azy.

Ny iraka na antom-pisian’ny Fiangonana

Ny atao hoe Iraka dia avy amin’ny teny latin hoe misio.

Ny iraka nataon’Andriamanitra tamin’ny alàlan’Izy Tenany dia Jesoa Kristy: Andriamanitra no nidina voalohany nanao iraka ary Izy tenany no Mpaniraka sady irahina, no izy koa vontoatin’ny iraka (Jaona 3, 16)

Iraka nampanaovin’Andriamanitra ny olona: rehefa nanao ny iraka Andriamanitra, izay niantefan’izany dia irahiny indray ho any amin’izao tontolo izao (Matio 28, 18-20 “ilay fanirahana lehibe)

Toy izao no vontoatin’io iraka io :

  • Jesoa Kristy no Tompo sy Mpamonjy izao tontolo izao.
  • Ny fibebahana no tànana handraisana izany famonjena izany.
  • Ny fanafahana ny gejan’ny mila vonjy dia natokana ho asam-Piangonana sy maha-izy azy rahateo.
  • Ny olona rehetra (na iza na iza) sy ny olona manontolo (saina, vatana, fanahy, fihetseham-po) no iantefan’ny iraka.

Tomponandraikitra eo anivon’ny Fiangonana ny Tily

Sary: Tily Matsiatra Ambony

Kristianina ny Tily 

Ny maha-kristiana no fototra mialoha ny maha-tomponandraikitra.

Kristiana : 

  • avy amin’ny teny grika khrisitianos , khristos : mpianatra, mpanaradia na mpomba an’I Kristy izay miorina amin’ny Soratra Masina rehetra (lioka 24, 27)
  • hita ao amin’ireto telo ireto ihany: asa 11, 26 Asa 26, 28, 1Pet 4, 16: izay manondro ny pentekosta, fotoana nahaterahan’ny Fiangonana, sehatra iasan’ny Mpiandraikitra Tily

Ny teny hoe Kristianina dia entina milaza ny vondron’olona niala tamin’ny fivavahana Jiosy, araka ny fanambaran’i Lioka ao amin’ny Asa 2, 42 hoe: “ary izy ireo naharitra tamin’ny :

  • fampianaran’ny Apostoly
  • sy ny fiombonana 
  • sy ny famakiana ny mofo
  • ary ny fivavahana”

Ny Kristianina dia ireo no olona nahatsiaro “voatsindrona” tao am-pony ka nanolo-tena hatao batisa.

Ny teny hoe Kristianina dia midika faharetana, toetra tsy foronina fa ateraky ny firaisana amin’Andriamanitra ao amin’I Jesoa Kristy sy ny Fanahy Masina.

Mpanompon’Andriamanitra ny Tily

Izy no andry mpiara-miasa amin’I Kristy hanatanteraka ny famonjena hatramin’ny farany, hahataona olona hanatona Azy.

Izy no andry iankinan’ny manodidina azy hanamafy orina ny finoany amin’ny alalan’ny :

  • fahaizana miombom-po amam-panahy amin’Andriamanitra mamakivaky ny onjam-piainana rehetra
  • vavaka mangina sy ampahibemaso ataony ho an’ny beazina izay nanokanan’ny Fanahy Masina azy

Tsy mihataka amin’ny Fiangonana ny Tily

Mafy orina isika satria miorina ambony vatolampy (Matio 16, 18) ka tsy haharesy azy akory ny tetik’i Satana mpandrava. Andriamanitra no mpanorina, mampaharitra ary Tompon’ny Fiangonana. Na dia mbola eo an-tanim-piadiana amin’ny fahavalo maro aza ny Fiangonana dia manohatra noho ny mpandresy amin’ny alalan’I Jesoa Kristy.

Tsarovy mandrakariva fa tsy mandeha ho azy akory ny fitondran’ny Tompo ny Apostoly 12 lahy, izay sarin’ny Fiangonana kely… kanefa tsy nandao azy ny Tompo.

Raha sanatria misy zavatra mifanohitra amin’ny eritreritra:

  • mametraka andraikitra ho an’ny Tily izany.
  • tsy maintsy mijanona ho modely tsara halain-tahaka ny Tily manoloana ny tsy fijoroan’ny sasany.
  • saino sy eritrereto Andriamanitra: ny Teniny, ny asany, ny fandreseny izay efa nomena ny Fiangonana mba hifikirana Aminy: ho fiasana mahomby hanarina am-pitiavana sy amim-panetren-tena ny tsy mety.

Tsy hihidy anaty rindrina efatra ny Tily

Ny asa ivelany no fanehoana ny fahaveloman’ny Fiangonana ary anisan’ny tomponandraikitra amin’izany ny Tily.

Fampiharana ny fanabeazana voaray tao am-Piangonana ny asa atao any ivelany, isan’izany ny asa firotsahana maha-Tily.

Tsy maintsy mitady lalana hikaroka ireo mbola any ivelan’ny vala ny Tily, mba hahatonga azy ireny ho tafiditra ao am-balan’I Jesoa Kristy.

Tsy tokony hionona amin’ny mahazatra ny Tily fa hitrandraka hatrany endrika asa manintona; ho fitoriana ny Filazantsara sy asa sosialy hampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo.

Ireo synodam-piangonana irotsahan’ny Tily

Synodam-piangonana Fiantsoana ny skoto / Tily ao aminy
FLM: Fiangonana Loterana MalagasyFiraisan’ny Skoto FLM
FSFLM
METM: Misiona Evanjelika Teratany eto MadagasikaraSampana Fanabeazana TIly sy MPAnazava
SFTIMPA
EEM: Eklesia Episkopaly Malagasy (Anglikana)SKOtisma Anglikana
SKOA
FJKM: Fiangonan’I Jesoa Kristy eto MadagasikaraSAmpana MPAnazava sy TIly
SAMPATI
FMTA: Fiangonana Protestanta Malagasy Tranozozoro AntranobirikySAmpana TIly sy MPAnazava
SATIMPA

Samy Fiangonana tsy katolika avokoa ireo, sady mandala ny fisokafana sy ny fiombonana (ohatra : ny ekiomenisma) , ka izany no iantsona antsika Mpanazava sy Tily eto Madagasikara (MTEM) ho isan’ny Fikambanana Unionistes. 

Ny mampiavaka ny sinodam-piangonana tsirairay avy:

Ireto, farafahakeliny, no mampiavaka sy maha-samy hafa ny sinoda iorenantsika ka mila fahafantarana sy fanajana 

  • Anarany
  • Tantarany
  • Fomba sy tarazo ao aminy
  • Rafitra sy fomba fiasa
  • Fitsipika
  • Litorjia na ritoaly
  • Sakramenta 
  • Ny foto-pinoany sy ny foto-pampianarany

Ny zavatra andrasan’ny Fiangonana amin’ny Tily eto Madagasikara sy ny andrasan’ny Tily amin’ny Fiangonana 

Voafariparitra anatin’ny fitsipika isanisany avy ireo.