Sokajy
Aim-panahy

Savaranonando fandalinana ny Efesiana

Ny tanàna Efesosy.

Renivohitra tany Asia (tapak’i Asie Mineure andrefana) Efesosy. Tanàna maro mponina sy be varotra izy, sady malaza indrindra noho ny tempoly mahafinaritra. Foiben’ny fivavahana amin’ny sampy izy, indrindra fa ny fivavahana tamin’i Diana andriamanibavin’ny fahavokarana sy ny fiterahana. Be zava-betaveta ny fanompoana azy. Olona haingam-pandray hevitra diso (superstitieux) ny Efesiana, ka nanjaka tany ny mpanao ody sy ny mpamosavy. Nefa nahay namolaka
izany hevi-poana izany Paoly (Asa 19:17-20). Isan’ny nahazoan’ny sasany vola ny fanaovana ny sarin’ny tempolin’i Diana, izay nisy hery, hono.

Ny Fiangonana tany Efesosy

Efa nikasa ho any Efesosy Paoly tamin’ny diany fanindroany (Asa 16:6), nefa tsy afaka. Rehefa an-dàlana hiverina ho any Jerosalema izy, avy any Korinto, dia afaka nitsidika tany, ka nitory teny tao amin’ny synagoga (Asa 18:19). Nangataka azy hitoetra elaela ny olona, nefa tsy nekeny izany ; ka dia Akoila sy Prisila no nanohy ny asa.

Tamin’ny diany fahatelo dia niasa tany telo taona izy (Asa 19, 1-41
; ampit.20:31). Isan’ny Fiangonana nandaniany hery indrindra sy tiany
indrindra ity.

Ny antony nanoratana ho an’ny Fiangonana tao Efesosy

Toa tsy nisy loatra ny fampianarana namadika Filazantsara tany, tahaka ny an’ny Jodaista tany Galatia na ny mpanao filozofia ny Kolosa. Fa satria sendra nisy mpandeha dia nampitondrain’i Paoly ny taratasy,
hampahatsiaro azy ny finoana marina an’i Kristy sy izay iraisan’ny mino rehetra ao aminy. Toa taratasy misokatra ho vakian’ny Fiangonana maro ny epistily ho an’ny Efesiana, ka tokony ho ity ihany no voalaza ao amin’ny Kol 4:16. Ny Efesiana no tokony ho voalohany amin’ny filaharan’ny mpamaky azy, ka avy any Laodikia no hahazoan’ny Kolosiana azy.

Ny fizaran’ny epistily ho an’ny Efesiana.

Mizara roa ny Epistily, dia ny teny amin’ny famonjena azo amin’i Kristy sy ny teny milaza ny toe-piainana kristiana

Fampianaram-pinoana

Fisaorana an’Andriamanitra izay efa nanendry ny làlam-pamonjena amin’ny alalan’i Kristy izay maty hanavotra ny mino, sy fangatahana amin’Andriamanitra mba handrosoan’ireo bebe kokoa (toko 1).

Ny famindrampon’Andriamanitra tamin’ny jentilisa izay “lavitra” fahiny sy ny nampanakekezany azy tamin’i Kristy izao, ho mpiara-mandova amin’ny olom-boafidy (toko 2).

Ny fiombonan’ny olona mino amin’Andriamanitra sy ny namany ao amin’i Kristy, ary ny fanirian’i Paoly mba ampitomboan’Andriamanitra izany firaisana izany (toko 3).

Ny amin’ny toe-piainana kristiana

Fananarana azy mba hifanara-tsaina sy haharitra ary handroso tsara, izay vokatry ny fiombonana voalaza teo (4:1-16).

Famporisihana mba hadio fitondrantena sy hanana toe-panahy araka an’Andriamanitra sy Kristy (4:17-32).

Ny fanoloran-tena tanteraka amin’Andriamanitra amin’ny fomba sy fanao rehetra (5:1-6: 9). Ny adim-panahin’ny Kristiana sy ny fiadiana ara-panahy atolotr’Andriamanitra handresen’ny mino ny ratsy
rehetra. – Tso-drano (6:10-24).

Manasa an’ise hanohy ireo andiam-pandalinana ity epistily ho an’ny Efesiana ity izay nitsongana ny tondrozotra antsika hoe « Tano ny Finoana ho Apinga ».