Sokajy
Aim-panahy

Mpihazakazaka manatratra ny loka isika

Fitondran-tena kristiana 

Mirakitra ny fitondran-tena mahamendrika ny kristiana ny hafatry Paoly ao amin’ny Romana 12 : 1-2 izay sori-dalana arahiny hanarahany an’i Jesoa Kristy. 

Oharin’i Paoly toy ny mpihazakazaka ny mpanaradia an’i Kristy (Fil 3.14 ; 2 Tim 2.5). Ao amin’ny tokontanin’ny fanabeazana no hanatanterahin’ny Mpanabe Tily ny hazakazany. Mifaninana hahazo loka hamoa tsara eo amin’ny fiangonana sy ny fiaraha-monina ary ny firenena. 

Paikady mitondra amin’ny fahombiazana 

Toy ny mpanao fanatanjahan-tena rehetra, mila fanazarana sy fifehezan-tena ho tonga amin’ny fahombiazana. Miezaka ary manao ny aina tsy ho zavatra ho fanomezam-boninahitra an’i Jesoa Kristy, ilay Tompon’ny antso. 

Misy ny fomba fiady omen’ny mpanazatra. Mizara efatra (4) araky ny fizotrany ny Romana 12 : 1-2 ny paikady ho an’ny kristiana : 

  • «  mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra »
  • « aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao »
  • « miovà amin’ny fanavaozina ny saina »
  • « hamantaranareo ny sitrapon’Andiamanitra » 

Mizara sehatra telo (3) ny fivelaran’ny olona feno : vatana, saina sy fanahy. Nampian’ny skotisma izy ireo : fiaraha-monina sy fihetsem-po izany. Ao amin’ny fo no itoeran’ny fihetsem-po rehetra. Milaza ny Soratra Masina fa i Jesoa Kristy irery ihany no afaka hanova ny fo (Asa 4.12) ary angatahiny ny toem-po araky ny sitrapony. 

Fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra 

Ny tantara namonoan’i Kaina an’i Abela (Gen 4) dia ohatra iray ahitana ny halebiazan’ny toetran’ny fo sy ny vokany amin’ny zavatra rehetra atao. Tezitra i Kaina satria tsy nankasitrahan’Andriamanitra ny vokatrin’ny tany fanatiny ary ny ondry voalohan-terak’i Abela no nankasitrahiny. 

Naloto ny fon’i Kaina ary niafara tamin’ny famonony ny rahalahiny. 

Mijery ny fon’ny olona rehetra Andriamanitra. Ahoana ny toe-pon’ise ao anatin’ny fihazakazana? Ahoana ny fanatitra entin’ise eo amin’ny alitra ? Fanatitra tsara indrindra (voalohan-teraka, voaloham-bokatra) fa tsy ambinambiny na zara fa vita na misy kilema no sitrak’Andriamanitra. 

Mizara araky ny fo sy ny fitiavana 

Tandidon’i Kristy ilay zanak’ondry natolotr’i Abela. 

Efa mitondra ny marikin’ilay Zanak’Ondry ve ise? Velona ao am-pon’ise ve i Jesoa ? Manana Azy ho Tompo sy Mpamonjy tokoa ve ise? Iainan’ise ve ilay famonjena nomeny?

Miverèna mandinin-tena ! Ataovy mahazo antoka fa ao anaty fo ny fitiavana hizara sy hanabe ! 

Havereno ny finoana velona fa tonga teto an-tany i Kristy hamonjy an’ise ary maty sy nitsangana ho fahamarinana. Io ny fiandohana entina miasa. Tsy ho tahaka ny an’i Kaina fa fo vaovao, voavela heloka, toy ny an’ny mpiandry ondry tarihan’i Kristy. Mivelona amin’ny Tenin’Andriamanitra, mivavaka sy miofana hahomby sy hibata ny lokan’ny fandresena, valim-pitia sy valin’ny ezaka atao eto an-tany.  

Mpandresy ao amin’i Kristy

Tian’i Jesoa ho mpandresy tahaka Azy ny Tily. 

Tsy mahavita na inona na inona raha tsy miaraka sy mitoetra ao Aminy isika. Tsy mandeha amin’ny herin’ny tenantsika fa mandeha araky ny Fanahy. Ho mpihazakazaka mahomby ao amin’i Kristy Kapiteny.