Sokajy
Aim-panahy Olon-dehibe sy kalitao

Mpiandraikitra Tily aho, Mino aho

Ny hoe mino dia azo adika ihany koa hoe mahatoky, olona azo itokisana, tsy mivadibadika ary azo ametrahana andraikitra. Amin’ny voambolana Kristiana kosa dia olona efa nandray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy ka mampiditra sy mampitoetra an’i Jesoa Kristy ho fiainany feno.

« Tano ny finoana ho ampinga »

Efesiana 6 : 16b

Ity Soratra Masina izay iainan’ny Tily eto Madagasikara mandritra ny taom-piasana ity dia milaza fa ny finoana izay ananan’ise Mpiandraikitra dia hery manosika an’ise, entina mandresy sy mampahomby amin’izay asa tanterahin’ise. Ny finoan’ise ihany koa dia ahafahana mitondra an’ise amin’ilay tena fahatokiana tanteraka ka olona azo antenaina, olona azo ametrahana andraikitra ary olona mahatoky ka tsy mivadibadika amin’ny fanekena izay natao ise.

Hoy ny tenin’i Sefo Randria:

« Ny tena mpanabe marina dia misaina sy manabe ary manolokolo, mba ho ampiasain’ny fiangonana sy ny firenena, izay mamafy mba hojinjain’ny hafa ary mamboly mba hotazan’ny hafa ihany koa. »

Araka izany, ny mpanabe dia tsy misaina ny ankehitriny fa misaina ny ho avy. Ny tena mpanabe dia izay mamafy mba hojinjain’ny hafa ary manabe mba hampiasain’ny firenena. Ny mpanabe mino dia misaina ny ho avin’ny fikambanana, misaina ny ho avin’ny beazina ary antenain’ny fikambanana sy fiangonana ary ny firenena. 

Izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena izao no fotoana tena andraisan’ise andraikitra. Koa asehoy eo amin’ny fiangonana izay misy an’ise, amin’ny ray aman-drenin’ny beazina fa manana mpiahy izy ireo  dia ise mpiandraikitra izany.

Farany, amin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena izao, dia asehoy fa ilaina ise ary mahomby ise, noho ny finoana sy traikefa ananan’ise. Ny tolo-kevitra sy toro-lalàna nanabeazana an’ise ihany no ampiasao amin’ireo beazina manodidina an’ise.

« Miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo »

I Korontiana 15: 58