• Malagasy
  • Français
  • English
  • DFI Week 2019

    Ny Foibe Tily Eto Madagasikara dia faly manasa ireo Filoha Tily ao amin’ny Departemanta Fifandraisana isam-paritany amin’ny DFI WEEK 2019 karakarain’ny Departemanta Fifandraisana eo anivon’ny FOIBE ny 11 sy 12 May 2019 ho avy izao ao amin’ny Notre Dame du Cenacle Ambohipo.

    • Daty : Sabotsy 11 Mai 2019 08:00,
    • Toerana : NOTRE DAME DU CENACLE AMBOHIPO,
    • Zavatra hoentina : Baiboly sy fihirana, fanamiana ara-dalàna, fitaovam-pidiovana …
    • Fandraisan’anjara : 15 000 Ariary
    • Fisoratana anarana : mialohan’ny 19/04/2019 @6 ora hariva
    • MVOLA : 034 59 174 61 (iAko Manantsoa) ho an’ireo izay handefa amin’ny MOBILE BANKING
    • Firavana : Alahady 12 Mai 2019 14:00
    • ROHY FISORATANA ANARANA : https://bit.ly/2DjHtcC

    Ny DFI WEEK dia fihaonan’ny Filoha tily ao amin’ny Departemanta Fifandraisana manerana ny Faritany Tily eto Madagasikara. Fifankahafantarna, fiofanana, fifampizarana, fialamboly no votoatin’ny fandaharan’ny hetsika.

    “Miara-mitombo”, izany no lohahevitra hitondrantsika ity DFI WEEK andiany voalohany ity ka hiezaka hanatratra tanjona iray isika dia :

    Ny fiarahana manatsara ny sarin’ny Tily Eto Madagasikara eo anivon’ny fiaraha-monina
    – Ny fahalalana sy fahaiza-manao amin’ny fampitana hafatra ho an’ny manodidina